Izaho mino


Izaho mino an'Andriamanitra
Ray mahefa ny zavatra rehetra
Nahary ny lanitra sy ny tany.

Izaho mino an'i Jesoa Kristy
Zanaka tokany
Tompontsika,
noforonon'ny Fanahy Masina
naterak'i Maria Virjiny;
nijaly faha-Pontsy Pilaty
nofatsihana tamin'ny hazofijaliana,
maty dia nalevina,
nidina tany ambanin'ny tany,
nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo,
niakatra any an-danitra,
mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra.

Avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty.
Izaho mino ny Fanahy Masina
ny Eglizy Masina Katolika,
ny fihombonan'ny Olomasina,
ny fanalana ny ota,
ny hitsanganan'ny vatantsika ho velona,
ary ny fiainana mandrakizay.

Amen.