rahaba, ry Rpanjakavavy


Arahaba ry mpanjakavavy, ry Reny be indrafo,
fiainanay, maminay, ary fanandenananay arahaba!
Ianao no antsoinay zanak’I Eva voasesitany,
Ianao no hisentosentoanay mitaraina sy
mitomany amin’ity lohasahan-dranomaso ity.
Eny ry mpisolovava anay,
ireny masonao feno indrafo ireny mba atodiho aminay.
Ary raha afaka amin’ity sesin-tany ity,
ataovy mahita an’i Jesoa naloaky ny kibonao izahay.
Izany Ry be indrafo.
Izany ry be fitiavana.
Izany e, ry Maria virjiny maminay.