Ahoana ny fomba fanaovana sapile?



Fampidirana

Manao famataran'ny hazofijaliana sy miteny hoe:


+ Amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen.

Dieu viens à mon aide.
Seigneur, à notre secours.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
tahaka ny teo aloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amen.


Tanisana ny:

1. Izaho mino (1);

2. Rainay (1);

3. Arahaba ry Maria (3);

4. Voninahitra (1);



Lazaina ny Mistery banjinina amin'ity andro ity ka iarahana mivavaka amin'i Masina Maria.
Lazaina ny Mistery voalohany.

Mangina kely,
manao fangatahana manokana
Rainay 1
Arahaba ry Maria 10
Voninahitra 1.

Dia toy izany hatrany ny Mistery efatra sisa.

Amin'ny farany dia afaka manao ireo vavaka fanaon'ny Fiangonana - santionan'izany ireto vavaka natolotra ireto.



Mistery Mahafaly
Alatsinainy - Sabotsy

1. Ny Arkanjely Gabriely miarahaba an'i Masina Maria.
2. Masina Maria mamangy an'i Mb Elizabeta.
3. Jesoa Kristy teraka ao an-tranon'omby.
4. Jesoa Kristy atolotra ao an-Tempoly.
5. Jeso very hateloana ka hita tao an-Tempoly.



Mistery mamirapiratra
Alakamisy


1. Jesoa Kristy atao Batemy eo amin'ny rniranon'i Jordany.
2. Jesoa Kristy manova ny rano ho divay tao Kanà
3. Jesoa Kristy manambara fa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny famindram-pony: Mibebaha àry isika.
4. Jesoa Kristy miova tarehy any an-tendrombohitra.
5. Jesoa Kristy manorina ny Eokaristia.



Mistery Mampalahelo
Talata - Zoma

1. Jesoa Kristy mady aina ao an-tanimbolin'Oliva.
2. Jesoa Kristy kapohina mafy.
3. Jesoa Kristy satrohina fehiloha tsilo.
4. Jesoa Kristy ampitondraina ny hazofijaliana ka lavo in-telo.
5. Jesoa Kristy fatsihana amin'ny hazofijaliana ka manolotra ny ainy.



Mistery be voninahitra
Alarobia - Alahady

1. Jesoa Kristy nitsangana ho velona
2. Jesoa Kristy miankatra any an-danitra.
3. Ny Fanahy Masina midina amin'ni Masina Maria sy ny Apostoly.Meteza ho tarihin'ny Fanahy Masina
4. Masina Maria ampiakarina amim-boninahitra any an-danitra.
5. Masina Maria satrohan'ny Trinité Masina satroboninahitra any an-danitra.


Ny vavaka sy ny fandalinana ny fiainan'ny Jesoa ary ny fitahirizana izany ao am-po to an'i Masina Maria, izay nataontsika nandritra ireo Mistery 4 ireo (Mistery Mahafaly, Mistery mamirapiratra, Mistery mampalahelo, Mistery be voninahitra) no antsoina hoe manao Sapile.