Litania tany
orette
Tompo ô,
mamindra fo aminay
Kristy ô,
mamindra fo aminay
Tompo ô,
mamindra fo aminay
Kristy ô,
henoy izahay
Tompo ô,
ekeo ny fangatahanay
Andrimanitra Ray any an-danitra
mamindra fo aminay
Andrimanitra zanaka mpanavotra ny olona
mamindra fo aminay
Andrimanitra fanahy masina
mamindra fo aminay
Andrimanitra tokana olona telo
mamindrà fo aminay
Masina maria ô,
Mivavaha ho anay
Reny masin'Andrimanitra
virjiny lohan'ny virjiny rehetra
Renin'i JESOA KRISTY
Renin'ny fahasoavan'Andrimanitra
Reny madio indrindra
Reny mahafehy tena
Reny virjiny mandrakizay
Reny tsy azon'ny loto
Reny mahate ho tia
Reny mahagaga
Reni'ny toro-hevitra tsara
Renin'ny nahary
Renin'ny mpamonjy
Virjiny be fahendrena
Virjiny mendrika ho hajaina
Virjiny mendrika hankalazaina
Virjiny mahefa
Virjiny be indrafo
Virjiny mahatoky
Fitaratry ny fahamarinana
Lapan'ny fahendrena
Fototry ny faharavoanay
Fitoeran'ny Fanahy Masina
Fitoeran'ny voninahitra
Fitoeran'ny voninahitra
Fianarana hivavaka tsara
Vonin-draozy mahagaga
Trano fiarovn'i Davida
Trano fiarovana ivoara
Trano volamena
Fiaran'ny fanekena
Varavarn'ny lanitra
Kintana fitarik'andro
Fahasitranan'ny marary
Aron'ny mpanota
Mpanambitamby ny malahelo
Vonjin'ny kristianina
Mpanjakan'ny anjely
Mpanjakan'ny patriarika
Mpanjakan'ny mpaminany
Mpanjakan'ny apostoly
Mpanjakan'ny martiry
Mpanjakan'ny konfesory
Mpanjakan'ny virjiny
Mpanjakan'ny olo-masina rehetra
Mpanjaka tsy voakasiky ny fahotana tamin'ny fototra
Mpanjaka nampiakarina any an-danitra
Mpanjakan'ny Rôzery masina indrindra
Mpanjakan'ny fiadanana
Ry zanak'ondrin'Andrimanitra izay manala ny fahotan'izao tontolo izao
Hadinoy ny fahotanay ry Tompo
Ry zanak'ondrin'Andrimanitra izay manala ny fahotan'izao tontolo izao
Ekeo ny fangatahanay ry Tompo
Ry zanak'ondrin'Andrimanitra izay malana ny fahotan'izao tontolo izao
Mamindrà fo aminay ry Tompo
Mivavaha ho anay ry reny masin'Andrimanitra
Mba ho tonga mendrika ny nampanantenain'i
JESOA KRISTY izahay
AOKA ISIKA HIVAVAKA:
Mihanta Aminao izahay ry Tompo,mba omeo anay mpanomponao mandrakariva ny
fahasalaman'ny fanahy sy ny vatana;ary mivavaka ho anay i Masina Maria Virjiny
be voninahitra, ka enga anie izahay rehetra ho afaka amin'ny loza manjo ety
an-tany sy hahazo ny hasambarana mandrakizay any an-danitra. Amin'ny alalan'i
Kristy Tomponay.
Amen.